RNS 21 Aprily 2019 tao Vichy Frantsa

RNS 21 Aprily 2019 tao Vichy Frantsa

23 avril 2019 Non Par Talen'ny serasera

Vory lanona tao amin’ny tanàna antsoina hoe Vichy, any Frantsa, malagasy marobe an’arivony maro namonjy ny RNS. Ny RNS (Rencontre Nationale Sportive) dia hetsika misy isan-taona, fihaonam-ben’ny malagasy aty eoropa izay voalohany indrindra fihaonana ho amin’ny lalao ara-panatanjahantena maro samihafa. Amin’io fotoana io dia misy koa etsy andaniny ny fanandratana hatrany ny teny malagasy : kabary, mpanoratra sy poeta, soratononina, raha tsy ho voatanisa eto daholo ny maro hafa.  Ao koa ireo standy fivarotana isan-karazany : sakafo malagasy, taozavatra malagasy, tapakila fiara-manidina mankany an-tanindrazana, sns…

Tsy adino ireo artista malagasy tazana teny antoerana : Henri Ratsimbazafy, Lilie, Shyn sy Denise, sns…

Manana adidy manandrify ny FI.MPI.MA. fanokafana ity lanonana ity amin’ny alalan’ny kabary izay ataon-dRtoa Filoha maneran-tany izany.

Tsindrio ny sary dia hihalehibe