RAFITRA AN-TANATOHATRY NY FI.MPI.MA.

RAFITRA AN-TANATOHATRY NY FI.MPI.MA.

 

ZAIKABE

Fivoriana indray mandeha isaky ny efa-taona ataon’ny Mpikambana rehetra manerana ny Nosy sy ny avy any ivelany.

ANTENIMIERA FOIBE

Fitambaran’ny Birao Foibe maneran-tany, ny Filoham-Paritany voafidy isam-paritany, ny Filohan-tSampana, ary mpanolotsaina iray nofidian’ny mpikambana eo anivon’ny Faritra ara-panjakana.

VOVONANA FOIBE MANERAN-TANY

Fitambaran’ny Filoha maneran-tany voafidy, ireo olona izay tendren’ny Filoha ho mpiara-miasa aminy izay ahitana : Filoha Mpanampy, Tonia, Mpitahiry Vola ary Mpitantsoratra ary ireo Filoham-paritany sy Filohan-tsampana ivelan’ny Nosy. Afaka manendry olona hafa ankoatra ireo ho tomponandraikitra amin’ny sehatra asa samihafa ho ao amin’ny Birao Foibe ihany koa ny Filoha.

FARITANY

Fivondronan’ny Sampana isam-paritra. Ho an’ny Faritany ivelan’ny Nosy, dia ny sisintany araka ny lalàna iraisam-pirenena no mamaritra ny firenena.

SAMPANA

Rantsa-mangaikan’ny Fikambanana.

RANTSANA

Toeram-pampianarana sy rantsa-mangaikan’ny fampianarana ataon’ny FI.MPI.MA. ankoatra izay efa tanterahin’ny Faritany sy ny Sampana.

 

Hiverina <<    Pejy NY FI.MPI.MA.   na    Pejy FANDRAISANA