SAMPANA NORVEZY  Lanonana 18 MEY 2019 NESTTUN BERGEN

SAMPANA NORVEZY Lanonana 18 MEY 2019 NESTTUN BERGEN

22 mars 2019 Non Par Talen'ny serasera

 

 

 

 

Tsy toy ny antso an’efitra ka ako no mamaly, Tsy fola-tanana nanondro na fotsy rora niteny raha nikarakara ny hetsika lehibe nataony  ny Fimpima Sampana Norvezy fa afa-po tokoa tamin’ny fihaonana sy fifanotronana nisy.

Voatontosa soa aman-tsara tao Bergen ny fiarahana sy lanonana izay natao nanomboka ny 16 ka hatramin’ny 18 May 2019 lasa teo.

Teo ambany fiahian-dRtoa Filoha maneran-tany Hanitra Andriamboavonjy, notronin’ireo Birao Foibe Atoa Alfred Rabibisoa sy AtoaTafika Rakotomavo ary ny teo an-toerana Rtoa Fara Andrianjafintrimo ny lanonana manara-penitra.

Nanafy haja ny lanonana ihany koa ny Konsul n’i Madagasikara any Norvezy Erik A, Øyen.

Voninahitra lehibe manampy izany ny nanatrehan’ny Filohan’ny Faritany Frantsa Atoa Dera Ramandraivonona sy ny Filohan’ny Sampana Benelux Atoa Hery Rasoamanana ny fotoana rehetra.

Maro ireo mpikambana avy any Frantsa, Benelux ary ireo sakaizan’ny Fimpima avy any Alemana no tonga niaraka tao Bergen.

-16 May :        Fandraisana ny avy lavitra sy fiaraha-nisakafo.

-17 May :        -Fanatanterahana ny fanadinana, ankasitrahana ireo mpanadina rehetra.

                       -Fandraisan’anjaran’ny Fimpima tamin’ny fanaovana matso nandritry ny fankalazana ny fetim-pirenena Norvezianina.

                       -Fitsidiana ny tanan’i Bergen nomanin’ny Sampana Norvezy.

                       -Korana takariva niaraka tamin’ny sakafo sy ny totorebika.

-18 May :        -Lanonana manara-penitra :

                             – – Kabary ifandimbiasana nataon’ny Filohan’ny Sampana Norvezy, Ny Filoha maneran-tany ary ny Konsul n’i Madagasikara any Norvezy.

                             – – Fianihanan’ny Filohan’ny Sampana Norvezy, Atoa Hery Andrianaivoravelona sy  fametrahana ny Birao hiasa mandritra ny 4 taona manaraka.

                             – – Famoahana ny andiany faha-efatra TSIRESY, 5 mianadahy (avy amin’ny ankolafin’ny Nosy: Avaratra, Atsinana, Ampovony ary avy Atsimo)

                             – – Fanasaloran-damba an’i Oyvind Dahl ( vazaha miteny Malagasy tsara)

                      -Fitsidihana nandeha sambo ny FJORD tao Bergen.

                      -Fiarahana misakafo sy totorebika ary kabary isan-karazany izay nataon’ireo mpianatra avy amin’ny isam-paritra niaraka tamin’ny kabary Betsileo avy any Fandriana nataon’i Øyvind Dahl.

Ny masoandro moa saiky tsy mody mihintsy amin’izao fotoana any Norvezy ka andeha ataontsika hoe ny havizanana no tsy azo nanoharana nanajanonana ny fety.

 

SARY