LANONANA SAMPANA BENELUX 11 MAY 2019 tao Bruxelles

LANONANA SAMPANA BENELUX 11 MAY 2019 tao Bruxelles

22 mars 2019 Non Par Talen'ny serasera

« Izay mitambatra vato, Izay misaraka fasika »

« Ny vorona manadino ny akany nahafoizany, ny valala no mahafoy ny tany nihaviany, fa ny Malagasy tsy mba manadino velively ny tanindrazany, ary manaja sy mankamamy ny tenindrazany. »

Tontosa an-tsakany sy an-davany ny lanonana telo sosona nataon’ny sampana Benelux tao Bruxelles ny ASABOTSY 11 MEY 2019, teo ambany fiahian-dRtoa Filoha manerantany Hanitra ANDRIAMBOAVONJY notronin’ny Birao Foibe : ny Mpiandraiki-draharaha Atoa Alfred Rabibisoa , ny Talen’ny serasera Rtoa Ratovonarivo Sahondra ary ny  Talen’ny fampianarana sy fikarohana ivelan’ny nosy Atoa Rakotomavo Tafika. Natrehan’ny Mpiandraki-draharahan’ny Masoivoho Malagasy Atoa RICHARD NORBERT Ibrahim ihany koa .

Notanterahina tamin’izany ny :

-Fianianan’ny Filohan-tSampana Benelux Atoa Rasoamanana Hery sy fanolorana ny birao vaovao

-Famoahana sy fandraisana ho mpikambana ny andiany Sandratra

-Fanasaloran-damba ny Andiany Fanamby.

Niantomboka tamin’ny fiaraha-nisakafo atoandro ny fotoana, narahin’ny lanonana manara-penitra ary nofaranana tamin’ny alim-pandihizana. Nafana dia nafana tokoa ny lanonana.

 

« de 2 »