FAFY 3

 

 Matin-drobon’ny adrisa ka fola-pen’ny aketalahy

Anarana iantsoana ny vavy amin’ny karazam-balala iray ny adrisa. Tsara sy mahafinaritra ny sorany: mainty sy vony. Vaventiventy kokoa izy noho ny lahy aminy, izay antsoina hoe aketa na aketalahy. Manintona ny bika sy ny soratr’adrisa ka maha-te hisambotra. Enjehina fatratra izy raha vao tazana, ary tsy avela raha tsy  azo na dia hahafola-pe aza. Mazàna anefa raha dodon-kisambotra loatra, dia tsy mahavaka ny adrisa amin’ny aketalahy ka rehefa mby an-tanana ny haza vao ketraka sy diso fanantenana, eny sosotra mihitsy aza raha toa ka aketa no azo sy namonoan-tena fa tsy adrisa.

Ampiasaina io ohabolana io handatsana olona mora adalain-java-mamiratra ivelany ka manao izay hahazoana izany na toy inona na toa inona hasarotany, na toa inona na toa inona tombam-bidiny. Harena natao fafin-katrana sy aim-beri-maina anefa no niafarany satria tsy araka ny noeritreretiny ary tsy nahitany soa na dia kely akory aza ilay zavatra nimatimatesany sy nandriany ilika ary nandaniany  herim-po.

Abéline Eléonore