FARITANY KANADA 20 jona 2020 mankalaza ny faha-60 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara

FARITANY KANADA 20 jona 2020 mankalaza ny faha-60 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara

21 juin 2020 Non Par Talen'ny serasera
Fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena sy ny Iray volan’ny teny Malagasy, nokarakarain’ny FIMPIMA KANADA.
Andro asabotsy 20 jona 2020.
Tamin’ny alalan’ny zoom, na fihaonana an-joom.
Loha-hevitra nitondrana ny hetsika: Iza moa ianao ry Malagasy?
Ireo nitondra ny famelabelarana na nandahan-teny t@ izany:
  • Ramatoa Hanitra Andriamboavonjy, Filohan’ny FIMPIMA Maneran-tany.
  • Andriamatoa Abel Andriarimalala, Mpampianatra teny malagasy sy frantsay.
Ny famelabelarana nentin-dRamatoa Filoha Hanitra Andriamboavonjy dia niainga t@ lohahevitra hoe:  » Mbola voatazona ve ny maha-izy azy ny kabary sy ny soatoavina raketiny? »
Nazavainy t@ izany ary ny @ atao hoe kabary sy ny fivoarana hita teo @ kabary ary ny kabarin’ny taon-jato faha-21.
Ny famelabelarana nentin’Andriamatoa Abel Andriarimalala kosa dia niompana t@ hoe  » Ny sofina sy ny fo ary ny teny Malagasy ». Navoitrany sy notoanany t@ izany ny endriky ny teny malagasy ety ivelany, ny hevitra fonosin’ynteny malagasy ary ny hoe inona no ambadiky ny teny?