FAMBOLEN-KAZO KARAKARAIN’NY FOIBE NY 22 JANOARY 2022 ENY ANDAKANA AMBOHIDRATRINO PK 21

FAMBOLEN-KAZO 2022
« FI.MPI.MA. MIARO SY MIKAJY NY TONTOLO IAINANA »
Fampitam-baovao momba ny fambolen-kazo, amin’ ny Asabotsy 22 Janoary 2022.
1- Entanina ny isan-tsehatra mba hikarakara fiara iombonana, hahatongavana eny Andakana Ambohidratrimo.
2- Ho an’ny mpikambana tsirairay, azo atao ny mandray fiara mankany Mahitsy, eo Andakana no miala, manaraka ny lalana mivily miankavia sy ny tondrozotra mandra-pahatonga any amin’ny toerana hambolen-kazo.
3- Samy mitondra ny sakafo antoandrony.
Filan-kevitra : 034 74 289 36
« Tanora mamboly hazo, antitra manan-kialofana ! «