Covid-19 Fahalasanan’ny mpikambana Benelux nahavita be tato amin’ny FI.MPI.MA.

Covid-19 Fahalasanan’ny mpikambana Benelux nahavita be tato amin’ny FI.MPI.MA.

8 avril 2020 Non Par Talen'ny serasera

Lavo teo an-tanim-piadiana ny talata 07 Aprily 2020, Rtoa Françoise SOAMARO, (Mpiasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, Akany ho an’ny zokiolona), iray amin’ireo mpikambana mpanorina, sady mpitahiry vola ny Sampana FI.MPI.MA Benelux.

Tapaka angady niasana, very ambioka hody voa ny fianakaviamben’ny FI.MPI.MA., sy ny tontolon’ny kanto. Mitamberina ao an-tsaina, mitambolina ao am-po ireo tsiaro noraketin’ireo asa niombonana : ny tsiky omban-joto nentiny namita adidy, ny vitrika, fitiavana nisahanany andraikitra tany an-toerana sy teto an-tanindrazana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fandraisany anjara tamin’ny fanomanana sy fanatrehany ny Zaikaben’ny FI.MPI.MA. tany Antsiranana farany teo. Mitoetra ireny ka tsy hohadinoina.
Manoloana ny fisarahana anefa, izay ahatsapana fa mafaitra ny fahoriana ary mavesatra ny alahelo, dia miray fo sy miara-miory amin’ny Sampana FI.MPI.MA. Benelux ( Belgique, Nederland, Luxemboug), sy ireo izay akaiky azy rehetra, ny Birao Foiben’ny FI.MPI.MA. maneran-tany.
Ho toy ny balisama hanasitrana ny ratram-po anie ny fiombonana alahelo toy izao, ary tsy hiampy na hisosoka intsony ny alahelo.
Amin’ny anaran’ny Birao Foiben’ny FI.MPI.MA. maneran-tany,
Ny Filoha
ANDRIAMBOAVONJY Hanitra