AKON’NY LANONANA 6 FANKALAZANA NY FAHA 10 TAONAN’NY FARITANY FRANTSA

AKON’NY LANONANA 6 FANKALAZANA NY FAHA 10 TAONAN’NY FARITANY FRANTSA

22 octobre 2019 Non Par Talen'ny serasera

« ASANDRATRO NY TENIKO, HISONDROTAN’NY TANIKO »

Akon’ny lanonana lehibe 6 nitety ny tanan-dehibe manerana ny Frantsa, niaraka  tamin’i Erick Manana sy ny Feo Gasy, ho fankalazana ny faha 10 taonan’ny

 Faritany FI.MPI.MA. Frantsa

Fahombiazana tanteraka no azo ilazana ny lanonana lehibe enina (6) nokarakarain’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa niaraka tamin’i  Erick Manana sy  Feo Gasy, ho fankalazana ny faha 10 taonany. Nosokafana ny 07 septambra 2019 tany Toulouse ny fankalazana, nitohy ny 14 septambra tany Rennes, niaraka tamin’ny Sampana Menamasoandro. Niampita tao Avignon ny 21 septambra, niaraka tamin’ny Sampana Marseille, Montpellier, Avignon. Ny asabotsy 28 septambra dia niaraka tamin’ny Sampana Bordeaux ny mpanakanto. Avy eo dia tany Rouen ny 05 oktobra niaraka tamin’ny Sampana Paris, Orléans, Rouen. Ary ny famaranana dia ny 19 oktobra tany Lyon, niaraka tamin’ny Sampana Lyon.

Feno  hipoka avokoa ny trano fanaovana lanonana, nisy olona tsy tafiditra aza tamin’ireo naniry hijery ialana tsiny indrindra eto tompoko.

Raha fintinina dia tanteraka soa aman-tsara avokoa ny vina rehetra ho fankalazana ny faha 10 taonan’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa.

Ny ivon’ny fankalazana dia hatao any Parisy  ao amin’ny Salle le Millenaire Savigny le Temple ny Asabotsy 2 may 2020. Hisy koa ny famoahana mpiofana ho mpikabary,  fanasaloran-damba FI.MPI.MA., fampirantiana sy seho samihafa ny 1 may 2020 ao amin’ny Etablissement  Saint Charles  91 200 ATHIS MONS. Ho lazaina amintsika aoriana ny andinidininy.

Isaorana feno isika rehetra izay nanao soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra  araka izay tratry ny hery sy ny anjara tandrify azy avy ka nahatomombana ny lanonana rehetra : Sampana , Vaomiera isan’isany, Vaomiera mpanakanto ary ny Biraom-paritany.

Misaotra ihany koa ny Mpanakanto Erick Manana sy Feo Gasy, niara-paly taminay ho fankazalana ny faha 10 taonan’ny Fikambanana. Nahafinaritra tokoa ny fiaraha-miasa. Hitohy hatrany anie ny fiarahana ao aoriana.

Ary indrindra ho anareo rehetra namaly ny antso, fisaorana mitafotafo no atolotray ho anareo  nampiseho fahafaham-po hatrany tamin’ny fiarahana. Mankasitraka tompoko tamin’ny fahatokisanareo ny fikarakarana nataon’ny Faritany FI.MPI.MA. Frantsa.

 

Aredonay indray ilay teny fanevan’ny fankalazana manao hoe:

“ASANDRATRO NY TENIKO, HISONDROTAN’NY TANIKO ».